Ny fanarahan-dalàna sy ny fanabeazana aloha vao miroso amin’ny fanasaziana sy lamandy samihafa. Nivoitra nandritra ny atrikasa manokana natao tetsy amin’ny kaomina Antananarivo Renivohitra izany, io maraina io.
Ampitoviana ny fomba fijery
Niatrika izany fivoriana izany ireo tompon’andraikitry ny fitaterana eo anivon’ny Ministera, ny mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana, ny tompon’andraikitry ny kaomina ary ireo mpiantsehatra eo amin’ny fitaterana samihafa.
Anisan’ny tanjona voalohany amin’ity atrikasa ity ny hananan’ireo tompon’andraikitra rehetra fomba fijery mitovy manoloana ny asa fitaterana. Izany dia ho fametrahana ny programan’asan’ny Fanjakana ary indrindra hamaliana ny filan’ny mpanjifa satria tsy afa-miala amin’ny fitaterana intsony ny andavanandron’ny vahoaka ankehitriny.
Harindra amin’izany ny amin’ny tsi-fanarahan-dalàna satria io no lesoka lehibe indrindra. Tokony hifandrindra amin’ny tany tan-dalàna ny fitaterana.
Misy koa anefa ireo tompon’andraikitra izay tsy mahalala akory ity fandikan-dalàna ity ka tsy afaka miroso amin’ny fanasaziana. Noho izany, hazavaina amin’ny tompon’andraikitra rehetra aloha ny lalàna sy ny fandikan-dalàna miseho isan’andro.
Hisy koa ny fanaraha-maso akaiky ho fanatsarana ny zotra rehetra mba hisian’ny kalitao eo amin’ny seha-pitaterana.
Hajao ny lalàna
Anisan’ny sazy fampidirana « fourrière » ny tsi-fanajana ny bokin’andraikitra raha ny eo amin’ny fiara fitateram-bahoaka. Ho an’ny fiara tsotra kosa dia anisany ny fijanonana ao anaty fiolanana sy amin’ny fiakarana,…
Ezahina, araka izany, ny hampanara-dalàna ny mpamily rehetra, amin’ny lalàna izay efa voavolavola mifanaraka amin’ny toetrandro.
Araka ny resaka mandeha tato ho ato dia mitaraina amin’ny fanasaziana sahady ny maro. Toa midika fa tsy vonona ny hanaraka ny lalàna. Ny fanajana fotsiny ny lalàna anefa dia ampy tsy hahavoa ny sazy. Efa diso niaina loatra tao anatin’ny gaboraraka ny maro ka miferinaina sahady !


