POLITIKA : Hilaza ny fandikan-dalàna ataon’ny Fitondrana ny HVM

Hilaza ny zava-tsy mety sy ny fandikan-dalàna rehetra mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (na ny HVM), ny tolakandron’ny alatsinainy ho avy izao. Hanao velan-kevitra mitondra ny lohahevitra « Fanjakana tan-dalàna, antoky ny fampandrosoana », noho izany, ity antoko mpanohitra ity, amin’io andro io, etsy amin’ny Carlton Anosy.

Anjara biriky

Izany no anjara biriky hentinay hametrahana izany Fanjakana tan-dalàna izany, hoy ny Mpandrindra nasionaly, Rivo Rakotovao.

Nanao fiainianana momba izany firenena tan-dalàna izany manko ny Filoham-pirenena, hoy izy, ka rariny raha havoaka ny fandikany izany. Koa amin’ny maha-antoko mpanohitra dia ilaina ny filazana izany tsi-fanarahan-dalàna izany ary anjaran’ny rehetra ny mandray ny tandrifiny  mba ahatongavana amin’ny tena tanjon’ny Firenena tan-dalàna ho antoky ny fampandrosoana.

Ho zaraina ny fehinkevitra

Hisy ny fehinkevitra hivoaka amin’izao fihaonana izao, ka homena ny tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena izany. Anisan’ny  homena izany voalohany ny Filoham-pirenena, izay irina ny andraisany izany amin’ny fo tony mba ahitany kosa ny zava-tsy mety. Ary vonona koa ny HVM ny handray ny tsikera avy aminy.

Hatolotra ireo manampahefana rehetra sy ny vondrona iraisam-pirenena ary hampahafantarina ny vahoaka ihany koa izany.

Avy aiza ny fitaovam-piadiana

Santionan’ny ilana fanazavana  amin’izany ny fahatongavan’ ireo fitaovam-piadiana sy fanamiana miaramila teto amintsika, ny 19 janoary 2019 ;  maninona no tafiditra teto ?, ara-dalàna ve sa tsia ?…Toy izany koa ny fitantanan’ny Filoham-pirenena mivantana ny fampielezankevitra. Ahoana ny fitantanana ny tsenam-barotra, toy ny RN 44, izay efa nametrahana vatofehizoro ny 2019 kanefa ny taona 2020 vao misy tolobarotra ? Toy izany koa ny fifanipahan’ny didy navoakan’ny HCC, izay lasa mpanao lalàna kanefa mpanatanteraka,…

Vous aimerez aussi