ANTOKO TIM : Hanatanteraka fihaonambe ireo mpitarika

Ny Alarobia 26 febroary ho avy izao, eny amin’ny Andy by-pass Alasora Antananarivo, Avaradrano, hanomboka amin’ny misandratrandro, no hanatanteraka fihaonambe ireo tomponandraikitra isam-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Tanjona amin’ity fihaonambe izay handraisan’ireo rafitra isan’ambaratonga toy ny foko-TIM, Com TIM, disTIM, regTIM izay mandrafitra ny birao mitantana ny antoko ity ny ahafahana mamelo-maso sy manome ainga sy aina vao indray ny antoko sy hanamafisana bebe kokoa ny rafitry ny antoko isam-paritra. Inoana ihany koa fa mandritra ny fihaonana no hanolorana ny Sekretera jeneraly vaovaon’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny nanatevina ny biraon’ity antoko ity izay hisahana ny lafiny serasera ny solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka Fidele Razarapiera. Ho fantatra eny an-toerana ihany koa ireo ben’ny tanàna vaovao lany tamin’ny anaran’ny antoko.

Ny antoko Tiako I Madagasikara efa nanambara mazava fa antoko mpanohitra ny fitondrana misy ankehitriny. Azo adika ihany koa, araka izany, ity fihaonambe ity fa efa mivonona ho amin’izay rehetra mety ho fifandimbiasam-pahefana eto amin’ny firenena ny antoko Tiako I Madagasikara. Ity farany izay azo lazaina fa mbola manana ny tanjany tokoa noho izy antoko mandeha samy irery nefa ananany olomboafidy avokoa ireo rafitra rehetra efa nanantanterahana fifidianana teto Madagasikara. Manomboka hita taratra eo anivon’ny antoko TIM ankehitriny ny fanomezana sehatra ireo tanora ho amin’ny fitantanana sy fampiroboroboana ny antoko izay tarihan’I Marc Ravalomanana.

Vous aimerez aussi