Ny fihavanana, ny fampandrosoana, ny politika, ny tontolo iainana ary ny finoana. Niompana tamin’ireo lohahevitra dimy ireo ny fanambarana nataon’ny Papa Fransoa nandritra ny fitsidihana ara-panjakana nataony teny amin’ny Lapan’Iavoloha, ny sabotsy maraina lasa teo, izay nandraisan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina azy.
Ankoatra ny fisaorana nataon’ny Papa noho ny fandraisana azy tamim-pomba miavaka dia noderainy ny soatoavina malagasy dia ny fihavanana, izay mandalina ny fifanampiana, ny firaisankina, ny toe-tsain’ny fifampizarana.
Mila hankamamiana ity tany voatsodrano ity, hoy ny Papa, noho ny hatsarany sy ny harena voajanahary maro misy ao aminy.
Aok’izay ny tombontsoa manokana
Manoloana ny resaka politika kosa no nanambarany fa hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena dia nifandimby ny fitondrana demokratika teto. Mampiseho izany fa ny politika dia fitaovana fototra enti-manandratra ny vina maha-olombelona.
Ny asa sy ny politika dia miteraka fanamby maharitra ho an’ireo izay nomena iraka mba hanompo sy hiaro ireo mpiray tanindrazana.
Nankahery ny rehetra ny Papa mba hiadian’ny rehetra amin’ny heriny avy ka hanohitra ny areti-maharitry ny kolikoly sy ny fitadiavana tombontsoa manokana, izay mampitombo ny fahasamihafana ara-tsosialy.
Miara-mandray anjara
Nankahery ny fiatrehana ireo ady samihafa eo amin’ny fiainana koa izy, satria izany no miantoka ny fahantrana tsy zakan’ny olombelona.
Tsy tokony hianoka amin’ny fanomezana fanampiana fotsiny anefa fa mila fandraisana anjara amin’ny fananganana ny ho aviny ny tsirairay. Ao anatin’izany no hanaovana ny lamina ara-boajanahary sy ara-tsosialy.
Manankarena i Madagasikara saingy tandindomin-doza ireo zavamaniry sy biby ary harena isankarazany ao aminy. Anisan’izany ny ala izay lasa tombontsoan’olombitsy ka aondrana an-tsokosoko any ivelany.
Asa sy tontolo iainana
Ilaina ny famoronana asa ahazoam-bola sy miantoka ny tontolo iainana.
Tsy hisy ny tena fijery ekolojika marina na asa mivaingana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana raha tsy ampidirina ao ny rariny sy hitsiny ara-tsosialy, izay manome ny zo ny fampiasana iombonana ny haren’ny tany amin’ny taranaka ankehitrio sy ny taranaka amin’ny ho avy.
Tsy tokony hiteraka kolontsaina hafa ny fanampian’ny avy any ivelany fa ilaina ny fanajana ny tompon-tany, izay handray tsikelikely ny fampandrosoana ary tompon’antoka amin’ny hoaviny.
Italaho amin’Andriamanitra aho
Tiako ny manambara indray ny finiavana sy ny fahavononan’ny Fiangonana katolika eto Madagasikara, hoy ny Papa, ny amin’ny hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fanorenana firahalahiana marina izay manome lanja ny fihavanana ka manome sehatra ny fivoaran’ny olona manontolo mba tsy hisy olona na dia iray aza voahilika. Ary izany dia ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra maharitra amin’ireo kristiana hafa finoana sy ireo mpisehatra rehetra ao amin’ny fiaraha-monim-pirenena.
Ao anatin’izany fanantenana izany no italahoko amin’Andriamanitra mba hitsodrano an’i Madagasikara sy ireo monina ao mba hitahy ity Nosy mahafinaritra sy milamina mba ahatonga azy handroso sy hiadana.
Fihavanana anaty fahamarinana
Mialoha izany fanambarana nataon’ny Papa Fransoa izany moa no nanoloran’ny Filoha Andry Rajoelina fisaorana, amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy iray manontolo, ity vahiny manan-kaja ity. Teo ihany koa ny nanamafisina ny velirano nataony ho an’ny firenena Malagasy sy ny finiavany hanarina an’i Madagasikara, hitsinjo ary hanampy ny mpiray tanindrazana rehetra ary hiasa hanasoa ny vahoaka. Nanterina ny hampanjakana ny fihavanana sy ny fifankatiavana ao anatin’ny fahamarinana, fitoviana ary ny fitiavana.
Marihina moa fa niatrika ity fotoana ity ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ireo Filohan’ny andrimpanjakana sy ireo masoivoho vahiny miasa eto amintsika ary ireo avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo mpikambana maro avy amin’ny finoana katolika sy fivavahana hafa. Araka ny fantatra dia olona teo amin’ny 2.000 teo no niatrika izany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

