PAPA TENY AMPASANIMALO : Nitondra vavaka antoandro

Ny vavaka antoandro. Io no nentin’ny Papa Fransoa tetsy amin’ny karmelitan’Ampasanimalo, ny antoandron’ny sabotsy lasa teo.

Tsy mba afaka mivoaka ka hahita ny Papa eny amin’ny làlana ombany na koa hiatrika ny lamesa ho tarihin’ny Papa ireto masera ireto.

Koa nisy ny vavaka sy toriteny nataon’ny Papa ho an’ ireto masera mihiboka ireto tamin’io fotoana io.
Nisy ihany koa moa ny dinika nifanaovan’izy ireo tamin’i Papa. Dinika izay natao tamin’ny teny latina iray manontolo.

Tsy azon’ny mpanao gazety hafa, ankoatra ny mpanao gazety avy any Vatikana natrehana moa izany fotoana izany.

Vous aimerez aussi