Ny tanora no hery mampiaina ny fiaraha-monina sy ny Fiangonana. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Papa Fransoa izany, raha nihaona tamin’ireo tanora maro dia maro izy ny takarivan’ny sabotsy lasa teo, teny Soamandrakizay.
Mila mifantoka amin’ny fanetrentena anefa izany, hoy izy, ahazoana manampy ny hafa.
Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tanora mianadahy ka nifantoka tamin’izany ny fampianarana nentin’ny Papa.
Ny iray avy eto Antananarivo, izay nitantara ny sedra-piainana nizorany teo anivon’ny fianakaviany tamin’ny fanampiana ireo voafonja sy niady tamin’ny tsi-rariny.
Ny vavy kosa dia avy any Maintirano, izay nilaza ny fanavakavahana ara-poko niainany sy ny fanamaivanana ny fivavahana teo anivon’ny fianakaviana.
Nisaotra ireo tanora nijoro vavolombelona ireo nny Papa ary nilaza fa hafaliana lehibe ho azy ny fahafahana miatrika ny tanora malagasy amin’izao alim-bavaka izao.
Làlana mitondra ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fiadanana ny fisokafana amin’ny hafa, indrindra fa ny fifanakalozan-kevitra amin’ny antokom-pinoana hafa, hoy hatrany izy.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

