Mitombo isa hatrany ireo olona tsy an’asa eto amintsika. Taorian’ireo karazana orinasa maro samihafa dia tonga amin’ny dingana tsy azo hanoharana tsy maintsy handefasana ireo mpiasa an-tselika ao aminy miisa 700 ihany koa ny orinasa JB etsy Amboditsiry izay mpanamboatra vatomamy sy bisikoitra.
Raha ny fanazavan’ireo mpiasa ireo, dia misy amin’izy ireo no efa niasa 25 taona tao amin’ity orinasa ity raha nisy ihany koa ireo efa nahavita 15 taona na dia an-tselika aza. Ankehitriny anefa, dia tsy maintsy haato amin’ny asany aloha izy ireo ary amin’ny faha 27 Aprily ho avy izao vao antsoina indray, hoy ny fanazavan’izy ireo. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny tompon’andraikitry ny orinasa dia nanambara izy ireo, fa noho ny tsy fisian’ny akora hampiasaina hanamboarana ireo vokatra vokariny, toy ny sokola sy vatomamy no antony nanosika azy ireo hampiato ireto mpiasa an-tselika ireto amin’ny asany. Araka ny tatitra azo, dia mihena ihany koa ny vokatra vokarin’ny orinasa JB ankehitriny izay lasa 67 % sisa ary mety mbola hidina any amin’ny 50% ato anatin’ny telo volana ho avy raha mitohy izao zava-misy iainan’ny firenena ateraky ny coronavirus izao, hoy ny tompon’andraikitra. Tsiahivina, fa efa nidina teny ifotony nijery ny zava-nisy niainan’ireto mpiasa ireto ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny asa sy ny lalàna sosialy. Notsindrian’ny tale jeneralin’ny asa tamin’izany, fa tokony hiezaka ny orinasa mampiasa mpiasa an-tselika marobe sy efa nahavita an-taonany maro tahaka izao, mba handray azy ireny ho mpiasa raikitra ihany amin’ny fotoana mahamety azy. Marihana, fa miisa 1200 ireo mpiasa raikitra eo anivon’ity orinasa ity ankehitriny.

