Maro ireo antoko, na olon-tsotra, na mpanao politika,sns, no nilaza sy naneho hevitra, fa tokony hatao mangaraharaha amin’ny vahoaka ny fitantanana mangarahara momba ireo fanampiana azon’i Madagasikara amin’ny hiadiana amin’ny valan’aretina coronavirus. Naneho ny heviny ihany koa ireo avy amin’ny mpanohitra. Araka ny fanazavana azo, dia nivory sy nanao jery todika ny resaka fahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM. Miantso ny fanjakana tompon’andraikitra sy tompon’antoka eto amin’ny firenena izahay, hoy izy ireo, mba hampiasaina ny mangarahara amin’ny fahamarinana ny fampiasana ny vola 300 tapitrisa dolara avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena izay vola entina iatrehana sy ifehezana ny COVID – 19 eto amintsika. Hividiano aro-vava miisa 2 avy ho an’ny isam-batan’olona ary omeo vary sy sakafo sahaza azy ny isan-tokantrano, dia mijanona ao an-trano ny vahoaka tsy an-kanavaka amin’izay fizarana isan-tokantrano izay, satria ny 80% ny Malagasy no marofy araka ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena, hoy ny RMDM. Ny 20% izay mamokatra dia tsy miasa koa amin’izao fotoana izao. Noho izany dia tsy an-kanavaka ny fanampiana isan-tokantrano. Mikasika ny resaka fampitam-baovao miaraka na « Réquisition » dia fanontaniana no napetrak’izy ireo, ny hoe: maninona no tsy atao toa izany koa ny an’ny vahiny, toy ny Telma, Canalsat…. ny orinasa afak’haba na Zone Franche ?. Omeo aro-vava sy sakafo ampy ny vahoaka dia mijanona any an-trano, fa tsy zaraina lakrimozena, hoy hatrany ny RMDM.
Namoaka ny momba ireo vola azo sy nokirakiraina mba hiatrehana ny Covid 19 ny 15 aprily lasa teo, ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ary nanome toky, fa tsy maintsy hanaovana fanadihadiana ny nampiasana ny vola rehetra.


