Naiditra am-ponja vonjy maika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny alakamisy lasa teo, ny filohan’ny fikambanana “Ny Fanahy no Maha Olona”, Ny Rado Rafalimanana, taorian’ny famotorana nataon’ny “Brigade de Recherche” taminy teny Fiadanana. Araka ny fanazavana voaray, dia resaka fisolokiana no antony nampidirana azy am-ponja vonjy maika. Teo ihany koa ny fitoriana hafa napetraky ny olona taminy. Taorian’ny fisamborana nataon’ny zandarimaria azy teny Ivato, ny fiandohan’ity herinandro ity dia notazonina teny amin’ny biraon’ny zandarimaria izy ary natao famotorana dia izao naiditra am-ponja vonjy maika izao. Teo ihany koa ny fandikan-dalàna nataony, tamin’ny tsy fanekeny ny fisavana nataon’ny zandary taminy raha nosavaina ny fiara nitondra azy raha hanatitra fanampiana ho an’ireo traboina tany Amparafaravola izy.


