ARETINA CORONAVIRUS : Niakatra 59 ny olona voa

Niakatra 59 ireo olona voan’ilay valan’aretinna coronavirus. Ny alakamisy hatramin’ny 12 ora folakandro dia nijanona ho 58 ireo olona voa ary ankizy 19 taona no anisan’ny nitondra io tsimok’aretina io. Ny harivan’iny, izany eo teo anelanelan’ny tamin’ny 12 ora ka hatramin’ny 8 ora alina dia niampy iray io isa io, ka lasa 59 no voa hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. Marihana, fa efa misy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fizahana ara-pahasalamana ireo olona ireo ary efa misitraka ny fanafody izy ireo amin’izao fotoana izao. Hatreto dia mbola tsy nisy ny olona matin’ity valan’aretina coronavirus ity eto amintsika. Na izany aza dia manao antso avo amintsika vahoaka Malagasy ny profesora Vololontiana Hanta, mpitondra tenin’ny CCO Ivato, fa tokony hanaja ireo fepetra rehetra napetraka isika dia ny tsy fivoahana ny trano, ny tsy hifampitakosina amin’ny olona mitondra ny tsimok’aretina, sns, dia voasoroka ity areti-mandringana ity, hoy hatrany ny fanazavany.

Vous aimerez aussi