MPONINA ENY FARAVOHITRA : Hanapaka làlana fa tapaka rano

72 ora no nomen’ny mponina eny Faravohitra ny fitondram-panjakana sy ny orinasa Jirama mba hamerenana amin’ny laoniny ny rano eny amin’ny faritra misy azy ireo. Raha dila izany fe-potoana izany dia ho tapahan’izy ireo ny làlana anisan’ny mihazo an’iny faritra ambony iny.

9 volana no efa niharetana tamin’izao tsy fisian-drano izao. Izany hoe niatomboka tamin’ny faran’ny taona 2018 ka hatramin’izao, hoy ireo mponina eny an-toerana ka efa tsy rariny intsony, satria tonga tsy tapaka ny faktioran’ny Jirama, izay voaloa ara-dalàna.

Amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 6 ora no mba mandeha ny rano. Hany tsy ampy ny torimaso satria tsy maintsy mandeha milahatra na miandry ny fahatongavan’izany rano izany.

Fahanteran’ny fitaovana

Anisan’ny fanazavana nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Jirama moa ny fahanteran’ny fantsona sy ny fitaovana amin’ny fisian’ny olana ara-drano. Eo ihany koa anefa ny fitombon’ny mponina, hoy ihany izy. Noho izany, misedra olana tahaka izao ny faritra maro eto an-drenivohitra.

Ny hany vaha-olana aloha hatreto dia ny fametrahana sinibe na « citerne » amin’ireo faritra voakasik’ity tsy fahampian-drano ity.
Efa lalina loatra ny fitohanan’ny fifamoivoizina eto an-drenivohitra noho ny fanamboaran-dàlana. Hitombo izany raha hisy koa ny fanakanan-dàlana noho izao tsy fisian-drano izao.

Vous aimerez aussi