Ny faritra Analanjirofo no mampiantrano ny fihaonambe sy ny zakaibe ary ny lasin-jobily, noho ny faha-25 taonan’ny Sampati, na ny Sampana Mpanazava sy Tily, eo anivon’ny Fiangonana FJKM.
Nandritra ny fanakofana izany fotoan-dehibe izany no nilazan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika ary ny fanofanana arakasa fa mifandraika indrindra amin’ny fanabeazana ny Sampati ka misokatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny fampiroboroboana ny fitaizana ny ankizy sy ny tanora eo amin’ny lafiny ara-pinoana sy fanabeazana, satria tanjon’ny ministera, hoy Ramatoa Minisitra ny fanabeazana ho an’ny daholobe.
Namafisin’ny Filohan’ny Sampati foibe, izay nanokatra tamim-pomba ofisialy ity fotoana ity ny hoe « Aoka hirehitra ny jironareo », araka ny Lioka 12 :35, nandritra ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny fihaonana.
Isaky ny 2 taona moa no hanaovana ny fihaonambe tahaka izao, raha 4 taona kosa ny zaikabe.
Misy, araka izany, ny varavarana misokatra, fampahafantarana ny nijoroan’ny Sampati hatrizay, ao Fenorivo Atsinanana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

