SIDA – RABOKA – TAZOMOKA : Mila vola 14 miliara dolara

Ilaina ny fananana vola 14 miliara dolara hiadiana amin’ny Sida sy ny raboka ary ny tazomoka. Izany no anisan’ny vontoatin’ny fivoriana atao any Lyon Frantsa, izay atrehin’ny Filoha Rajoelina ny maraina io.

Anisan’ny tanjon’izao fivoriana izao ny hanangonana io vola io, ahazoana miady amin’ireo aretina ireo.

Isaky ny 3 taona moa no misy ny fivoriana tahaka izao ka hanavaozana ny fitadiavam-bola, satria 3.000.000 isan-taona ny isan’ny maty vokatr’ireo aretina ireo maneran-tany, araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana maneran-tany (na ny OMS).

Fantatra anefa fa efa miha-mihena kosa ireo olona matin’ny Sida noho ny fisian’ny fandraisana andraikitra, kanefa mbola ilaina tohizana hatrany ny ezaka. Ny olana dia noho ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola kanefa mora mihanaka ny fielezan’ireo aretina telo ireo.

Ny 70%-n’ny tahirim-bola moa no alefa aty amin’ny kaontinanta afrikana, ka anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany i Nizeria, Tanzania, Congo, Mozambika ary Zimbabwe, satria mitaha ambony ny aretina any amin’izy ireo.

Vous aimerez aussi