MPONINA AMBOHITRIMANJAKA : « Afindrao toerana ny Tana Masoandro »

Naneho ny firaisan-kinany teny Ambohitrimanjaka ireo mponina teny an-toerana, ny sabotsy teo ary nisy ny nofonkena mitam-pihavanana niarahan’izy ireo nihinana, fa masina ny tanin’izy ireo. Araka ny fanazavana voaray, dia isaky ny sabotsy ireto mponina no mivory sy maneho hevitra ary manamafy ny firaisan-kinany eny Ambohitrimanjaka, ny amin’ny tsy hanotoran’ny fitondrana ny tanimbarin’izy ireo, izay hananganana ilay tetikasa Tana Masoandro. Nanamafy ireo mponina teny an-toerana, fa tsy manohitra ny asa sy ny fampandrosoana izay kasaina hatao, fa mangataka kosa ny hanaovana izany amin’ny toeran-kafa. Efa nanambara sy nanamafy ireto mponina, fa tsy ilain’izy ireo hatao eny Ambohitrimanjaka io Tana Masoandro io, fa any amin’ny toerana mety hanaovana azy. Nambaran’ireto mponina, fa efa nisy solotenam-panjakana nidina tany Ambohitrimanjaka nifampiresaka tamin’ireo vahoaka, fa tsy nahitana vahaolana. Na marimaritra iraisana aza tsy hita. Voaroakan’ny mponina teny koa ny Samva izay tonga teny an-toerana, ary voadaka ambavafo.

Ny filohampirenena efa nilaza, fa tsy maintsy midina eny Ambohitrimanjaka mifampiresaka amin’ny vahoaka izy, nefa hatramin’izao mbola tsy nidina teny an-toerana. “Efa ampy ho anay”, hoy ireo mponina ny fahatongavan’ny solotenam-panjakana taty Ambohitrimanjaka. Afindrao toeran-kafa fotsiny io Tana Masoandro io dia ampy anay izay, fa tsy hatao ety aminay, hoy hatrany ireto vahoaka saropiaro amin’ny taniny sy ny tanimbariny ireto.

Vous aimerez aussi