Nametraka ireo fepetra rehetra mba tsy hiparitahan’ity valan’aretina coronavirus ity, ny tompon’andraikitry ny toby fiantsonana sy ireo mpitsabo eny amin’ny Gare Routière. Tsy maintsy hatao fitiliana TDR na “Test de Diagnostic Rapide” ireo mpandeha rehetra mankany amin’ny faritra, hatramin’ny alakamisy izao, fe-potoana nomen’ny filoha hodian’izy ireo any, na ireo any amin’ny faritra hamonjy fodiana eto an-drenivohitra. Natao izao fitiliana izao, mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus, fa mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana amin’ny olona mitondra izany io aretina io na ilay antsoina hoe “Cas contact”. Tsy teny amin’ny toby Fasan’ny karana ihany no nanaovana izay fitiliana izay, fa teny amin’ny Makis Andohatapenaka, taksiborosy mankany amin’ny lalam-pirenena voalohany na RN1 eny Anosizato. Hita ihany koa fa mbola tsy voahaja ny fepetra, toa ny 1 metatra, ny fanajana ny ora tokony hiaingana, fa mbola nikorontana ny fandaminana sy ny fiaingana teny amin’ireo toby ireo, raha ny zavatra hita, ny talata teo.


