Mitombo andro aman’alina ny isan’ireo marary voan’ny valan’aretina coronavirus, hoy ny filohan’ny FFKM na Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. Niampy 10 ireo olona nitondra ny soritr’aretina ary tafakatra 88 izy ireo hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra ary misy ny fanaraha-maso sy fizaham-pahasalamana azy ireo. 7 kosa no sitrana hatreto. Noho ilay fifampikasohana na « cas contact » no mampihanaka ity aretina ity vetivety, hoy izy, koa mbola manao antso avo amin’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka ny filohan’ny FFKM, mba hanaraka sy hanaja ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana, dia ny tsy fivoahana ny trano, ny fanajana ny 1 metatra, sns.
Mahavaky fo, hoy izy no mbola mahita olona maro mivezivezy eny an-dalana eny. Tazana ho feno olona niantsena ihany koa ny tetsy Andravoahangy, ny alarobia maraina. Maro ireo fepetra tsy voahaja. Aoka re hajaina izay fepetra efa nomena antsika izay, mba tsy hihanaka na hiparitaka haingana ity aretina ity, hoy ny FFKM. Aoka ho lavitr’ity aretina ity isika, indrindra fa amin’izao herinandro masina izao, dia mivavaha ary Jesosy Kristy Tompo irery ihany no miaro antsika amin’ity valan’aretina ity sy ho an’ny firenena ary ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka, hoy hatrany ny filohan’ny FFKM.


