Mihevitra hatrany ireo Vahoaka ho ketrina na sanatria bado ireo « Mpanao politika » malagasy… Mitombona io, raha ny zavamisy ankehitriny eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely no dinihana. Amperiny, amin’ny fitetezana ireo fokontany miisa valo ambinifolo mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely sahady tokoa mantsy ny kandidà ho ben’ny Tanàna avy amin’ny Antoko « Volomboasary » eny an-toerana ankehitriny. Mahagaga, hoy, ireo mponina sendra anay fa nanjary hitan’ity ho kandidà ben’ny tanàna avy amin’ny « Volomboasary » amin’ny antsipiriany avokoa ireo olana misy isam-pokontany eny an-toerana. Raha toa ka dimy taona izy ireo no niara-nitantana an’Ambohimangakely tsy hita nivaingana ny fanatanterahana ilay teny filamatra nankadilo sofina nanao hoe : « Ovaintsika ny tanàna » Noventesin’ilay ben’ny tanànan’Ambohimangakely, lasa Solombavambahoakan’Avaradrano, lany tamin’ny anaran’ny Antoko « Volomboasary » ankehitriny. Raha tsiahivina kely, nilaza, ity farany fa avy amin’ny « Tsy miankina » nandritra ny fanatanterahany ny fampielezan-keviny. Nihintsana niandalana teny anefa ny sarontavany rehefa azony ny toerana hany ka nahatsiaro tena ho voafitaka tanteraka ireo nifidy azy noho izy niofo (Niova loko) tao anatin’ny fotoana fohy. Toa hita soritra sahady ary azo inoana tanteraka amin’izao zavamisy eny an-toerana izao fa hanara-davahana ny fomba amam-panaon’ity ben’ny tanàna teo aloha ihany koa ity kandidàn’ny « Volomboasary » izay ben’ny tanàna mpisolo toerana ankehitriny, hirotsaka, ho fidiana amin’ny 11 desambra ity.
Mila mandinika sy mamakafakafa lalina amin’ny hametrahany ny safidiny izay ho ben’ny tanànan’Ambohimangakely « vaovao », araka izany, ireo manan-jo hifidy rehetra eny an-toerana fa tsy ho latsaka anatin’ny vovon’ireo « Mpanao politika » zatra ny lalan-dririnina tsy mitsahatra ny manararaotra sy mampiasa ny fahantrana lalina mianjady amin’ny Malagasy ankehitriny ho fikatsahana sy fiarovana ny tombontsoa manokana ho azy ireo amin’ny alalan’ny fakana fahefana. Tsy tokony ho maty hanin-kely izay miseho amin’ny endrika tolotolotra sy fampananetanana poakaty ary fampandriana adrisa lava izao, araka izany, ireo mponin’Ambohimangakely, izay azo antoka fa ho vidiana lafo izy ireny anatin’ny dimy taona manaraka raha mibolisatra sy sanatria ho diso safidy eo indray. Mila Olombelona « Vanona » sy « Vonona » ary manam-panahy sy fahalalana hampandroso azy Ambohimangakely fa tsy « Mpanao politika » tsy mahalala afa tsy ny tombontsoa manokana ho azy sy ny fianakaviany ary ireo Akama tsy foiny anatin’ny Antoko politika izay tompoiny andro aman’alina. Mila miala amin’ilay toetsaina lomorona Ianareo « Mpanao politika » fa mijaly tanteraka Ramalagsy e ! Rahoviana anefa izany ?


