« MAMIKO AMBOHIMANGAKELY » : Mijoro ho fanoitran’ny fampandrosoana…

Ny fahatsapana fa misy ny « Vanona fa tsy vonona » ary ny « Vonona fa tsy vanona » eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely, no nanosika an-dRamose « Tsila » Rakotondratsimba Fenomanana Tsilavina Luc, nanangana ny « Mamiko Ambohimangakely ». Ity farany izay hivondronan’ireo rehetra resy lahatra fa Kaominina manana ny hasiny ary afaka harenina mba hizotra ho amin’ny tena fampandrosoana ireo fokontany miisa valo ambinifolo mandrafitra azy. Nomahafisin’ny Ramose Tsila, nandritra ny tafa nifanaovana taminy fa mila fahalalana sy fahaizana ny fitantanana ny asam-panjakana ary Olombelona manam-panahy mahay mitsinjo hatrany ny « Tombontsoa iombonana » fa tsy sanatria ho an’ny tenany manokana no mendrika hitondra ny Kaominina Ambohimangakely.

Raha tsiahivina, nahavita ny fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony « Ecole Normale Supérieur ENS / EPS, manana ny marim-pahaizana CAPEN, mpampianaytra fanatanjahatena, mpandraharaha ara-pedagojika, manana ny traikefa « Siansa maha olona sy ara-pedagojika ampiharina amin’ny fanatajahatena. Efa nisahana ny toeran’ny « Proviseur adjoint » tao amin’ny Lycée Ambohimangakely, mpanolontsaina Kaominalin’Ambohimangakely ary ankehitriny Tale tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny CEG Soamanandrariny. Nanaraka fiofanana manokana momba ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana « INDDL » Niofana momba ny « Plan Communal de Développement » izay nahafahany nandrafitra ny « Drafim-pampandrosoana ho an’Ambohimangakely », mpikambana eo anivon’ny « Justice et Paix » sy ny « Lehilahy Misionera Katolika » ary ny Lions Club Internationale i Ramose Tsila. Ity farany izay Zanak’Ambohimangakely Zato isan-jato. Amin’ny maha Mpanabe an-dRamose Tsila mitakosina akaiky amin’ireo tanora eny an-toerana izy ary tsy manalavitra ireo Ray aman-dReny ihany koa ho amin’ny fiaraha-miasa ahafahana mamolavola Olom-pirenena vanona sy mandray andraikitra ho amin’ny fampandrosoana iaraha-manana. Ny fomba fiainan’ny tantely tia miasa, miray hina ary mamela mamy mandrakariva. Ireo no toy ny vy miaina manentana mandrakariva an-dRamose Tsila sy ireo mpikambana eo anivon’ny « Mamiko Ambohimangakely » amin’ny fanatanterahana ireo laminasam-pampandrosoana izay novolavolaina manokana hamaly ireo filan’ny mponina eny an-toerana.

Vous aimerez aussi