Niova taranja ! Lasa mpivaro-mandeha tsy fidiny ny ankamaroan’ireo mpampanofa fahafinaretana ankehitriny noho ny covid- 19. Tsy maintsy niova « asa » fitadiavam-bola izahay, hoy ity mpampanofa fahafinaretana iray nohon’ny fikatonan’ireo efitra fandraisam-bahiny. Nihavitsy ihany koa ireo mpanjifa noho ny tahotra ny coronavirus.
Tsy mbola nahazo fanampiana
Anisan’ny sokajin’olona mitaraina ireo mpampanofa fahafinaretana fa mbola tsy nahavoaray ny fanampiana nolazain’ny filoham-pirenena izy ireo mandraka ankehitriny. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny fikambanana iray miahy ireo mpampanofa fahafinaretana dia manodidina ny 1 050 ireo mpampanofa fahafinaretana voasoratra anarana tokony hahazo ny fanampiana. Mitaraina ho efa kere tanteraka ireo mpampanofa fahafinaretana eto an-drenivohitra koa manao antso avo ho an’ireo tomponandraikitra isan-tokony mba hanafaingana ny fizarana ireo fanampiana efa nambara. Anisan’ny mbola ilàna fandrindrana maty paika sy fomba fiasa matotra ny fizarana ireo fanampiana ny mponina ao anatin’izao fihanaky ny valanaretina covid- 19 izao mba tsy hiteraka olana vaovao indray eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny.


