CORONAVIRUS : Namotika tanteraka ny sehatry ny fizahantany

Anisan’ny sehatrasa mizaka ny tsy eran’ny aina ary potika tanteraka noho ny fipariahan’ny covid-19 maneran-tany ny tontolon’ny fizahantany. Maloka tanteraka, araka izany, ny hoavin’ny fizahantany hatreto.

Maro amin’ireo « agence de voyages » eto Madagasikara no nanambara fa fatiantoka zato isan-jato no zakain’izy ireo ankehitriny. Tsy misy intsony ireo mpizahantany manao famandrihana tapakila noho ny fisian’ny valanaretina eto amintsika, hoy izy ireo. Ankoatra io, mbola olana goavana ihany koa ny fomba itakiana ireo vola mbola tsy voahangona any amin’ireo mpanjifa sasantsasany. Maro amin’ireo « agence de voyages » no efa nanakaton-trano tanteraka. Tsy ny zoron-damban’ireo misehatra amin’ny « agence de voyages » ihany no voakasika ankehitriny fa eo ihany koa ireo mpampiasa fiara itondrana ireo mpizahantany. Maro amin’izy ireo no efa manomboka mivarotra ny fiara ahafahana miatrika ny fiainana andavanandro.

Ireo mpitaridia « guide touristiques » sy ireo toerana fandraisam-bahiny ihany koa etsy andaniny very asa tsy fidiny noho ity areti-mandoza mihanaka eran-tany ity. Manao antso avo ho an’ny fanjakana foibe, araka izany, ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny fizahantany mba hijery akaiky ny momba azy ireo. Ireto farany izay efa mila hiraviravy tanana tanteraka manoloana ny toe-draharaha iainan’izy ireo ankehitriny.

Vous aimerez aussi