MPAMILY TAKSIA : Misedra olana amin’ny taratasy sasany lany daty

Taorian’ny fanambarana nataon’ny filohampirenena Andry Rajoelina, ny alahady alina lasa teo, dia tsikaritra hatry ny omaly fa efa miverina amin’ny laoniny tsikelikely ireo fiarakaretsaka mamonjy ny asany. Nambaran’ny mpamily sasany tamin’izy ireo, fa tao anatin’ny iray volana nisian’ny fihibohana na “confinemenet” dia tapaka tsy nanana hohanina izy ireo. Ankilany, mbola voatazona teny anivon’ny kaominina ny licence – n’izy ireo tamin’ny nakana ilay fanampiana azo avy tamin’ny fitondram-panjakana, ka mbola tsy azo hatramin’izao. Misy antontan-taratasy lany daty tokony hampiasaina ihany koa, nefa ny birao hanavaozana azy mbola tsy misokatra. Miteraka olana ho an’ireo mpamily taksia sasany ny fanamboarana ny taratasain’ny fiara, nefa hiverina hiasa rahampitso alarobia. Miandry ny fisokafan’ny birao izay hiasa amin’ny “service minimum” ireo mpamily taksia, raha ny tatitra azo. Farany, tsy maintsy hanaraka ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana izy ireo, raha hanohy ny asa fitaterana sy fitadiavana, hoy hatrany ireto mpamily nanaovana ny fandihadiana ireto.

Vous aimerez aussi