Tsy ilaozan’izay tia kely, araka ny nambaran’ireo tompon’andraiki-panjakana tokoa ny fiarahamonina miatrika izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, raha ny fitarainan’ireo avy eny ifotony. Tsy araka ny nilazana azy teny ambony latabatra ny fitantanan’ireo mpanatanteraka baiko ireo rafitra sy hetsika noheverina ho fitsinjovana ny vahoaka malagasy ao anatin’izao fotoana tokony hibohan’izy ireo izao. Ny firafitry ny Loharano, izay rafitra ifotony natao hitantana ny fitsinjarana ireo fanampiana fotsiny dia efa mahabe tsikera ireo mpiara-monina, raha ny zava-misy amin’ireo fokontany. Samy nieritreritra ny rehetra ho aterina isan-tokantrano ny Vatsy Tsinjon’izy ireo, kanefa dia mbola misy mponina mitaraina ho tsy nisitraka izany ihany hatramin’izao. Laniana fahefatr’adiny amin’ny fanadihadiana ireo vahoaka efa sahirana, hoy ireo mpilahatra tetsy Vohibola, ny zomà teo. Ny sasany, amin’ny 6 ora maraina dia efa milahatra. Amin’ny 5 ora hariva vao afaka. Ho kiviana amin’ny filaharana ve ireo sahirana dia mody rehefa tsy maharitra, mba ho lasan’ny mpizara ny anjaran’izy ireo avy eo? Fanontaniana napetrak’ireo mpilahatra io. Na ny tsena mora na fanampiana hafa moa izany izao dia mbola tsy mety voahaja hatrany na ny elanelana 1 metatra eo amin’ireo mpilahatra.


