MORONDAVA : Dibo-drano ny tanàna

Miakatra an-tanàna ny ranomasina sy ny ranomamy ao amin’ny distrikan’I Morondava. Ny rotsakorana manao be fiavy hatramin’izao any an-toerana no niteraka izany.

Voatery naato ny fampianarana any Morondava hisorohana ny loza mety ateraky ny ranobe mandifotra. Mahatratra hatrany amin’ny 04 metatra ny haavon’ny rano. Vokany,  maherin’ny an-jatony isa ireo efa traboina. Omaly, dia nitohy nijojo ny orana tany an-toerana. Ahiana mafy, araka izany, ny mbola hampanonga hatrany ny haavon’ny rano ao anatin’ny Distrikan’I Morondava manontolo. Nanao antso vonjy ho an’ny mpitondra fanjakana foibe ny solombavambahoakan’I Morondava, Tsiliva, mba hijery akaiky ny fahavoazana sy ny fahasahiranan’ireo mponina amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana maika. Nomarihany fa efa nampahafantarina ny BNGRC miahy ny loza voajanahary ity tondran-drano mahazo an’I Morondava ity. Raha tsiahivina, vao tsy ela akory no nisehoana haintrano nahatsiravina tao Avaradrova Morondava. Efa mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro  noho ny fanimbana tsy ampiheverana sy tafahoatra ny tontolo iainana ihany koa, araka izany, isika Malagasy. Atsaharo ny fandorana tanety, ny fandripahana ny ala fa loza mitatao ho anao sy ny taranakao ny fanaovana izany. Madagasikara rakotra Ala rahateo no filamatra.

Vous aimerez aussi