Harimbolatiana Rasolomarijaona, mitondra ny solonarana “Har’Jon”. Mpanakanto tanora tapa-kevitra ny hamorona bagasy nitondrana fanavaozana mba tsy ho vahiny loatra amin’ny sofin’ireo tanora izay efa mila ho domelina tanteraky ny mozika mafana mameno ny tanàna ankehitriny. Tombony ho an’I Har’Jon, ny nilonany an-taonany maro teo anivon’ny antoko mpihira izay toerana nahafahany nanovo vatsim-pahalalana ho enti-mikirakira ny mozika. Ireo trangam-piainana andavanandro no akora fototra entin’I Har’Jon mandrary ny tononkirany izay mirakitra endrim-panabeazana miseho amin’ny endrika kanto henika hafatra mafonja. “Tsy ny hamerina fotsiny ireo bagasy efa nolovaina tamin’ireo andrarezin’ny bagasy teto an-kibon’Imerina no antony nijoroako hoy I Har’Jon, fa ny hamorona bagasy novokarina hanaraka ny vanimpotoana ankehitriny mba ho maro ireo hankafy azy indray”.
Nitondra fanavaozana
Anisan’ny fanavaozana entin’ity mpanakanto ity amin’ny filalaovana ny bagasy ny fampiasana ireo zavamaneno vahiny toy ny “Saxophone”. Vazo iray nentiny nambabo sahady ireo lian-kanto ny “Tsy hisy hitoetra”. Vazo, manasongadina indray ny tokony hamerenana ny fihavanana, firaisankina, fifanampiana… Ampahany ihany amin’ireo soatoavina malagasy mendrika ho lalaina mandrakariva mba hampirindra ny fiarahamonina. Ho an’I Har’Jon, mpanabe, mpampita hafatra ary mpanala voly ireo mpiara-belona no antom-pisian’ny mpanakanto. Ilaina ny asa famoronana tahaka izao mba hampiroborobo sy hampisandratra ny mozika eto Gasikara. Aleo àry tsy mandany andro sy fotoana ary rondoha amin’ny fakana tahaka be fahatany sy fanaovana dika mitovy tsy hitera-bokatsoa na oviana na oviana e !


