« Aiza ihany ‘lay fanampiana Prezidà a ? » Fanontanian’ny olon-drehetra mifanena amin’ity Prezidam-pokontany ity izany, isan’andro isan’andro, hatramin’izay nisian’ny fihibohana izay.
Anisan’ireo Fokontany tsy mbola nandalovan’ity fanampiana ity ny olona tokony hisitraka izany, izay miisa 2.000 any ho any, eny amin’ny Fokotanin’Ampanotokana Ambatomaro. Kanefa dia Fokontany eo amin’ny fiadidian’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra.
Fanampiana 440 tapitrisa dolara
Mitentina hatrany amin’ny 440 tapitrisa dolara mahery ny totalin’ny fanampiana azon’i Madagasikara avy any ivelany. Izany hoe na hozaraina vary iray gony avy aza ny isan-tokantrano fa tsy ny marefo ihany dia tsy ho lany laniana izany volabe izany.
Porofo, araka izany, fa manao tandrevaka tanteraka ny mpikarakara sy ny mpizara itony fanampiana itony ho eny amin’ny fotony.
Rehefa inona moa ilay fanampiana no iantsoana Depiote ? Rehefa inona indray no ilàna Ben’ny Tanàna ?
Ho an’ity Fokontany ity manokana, natsangana ny komity Loharano kanefa hanao inona ? Sa andrasana indray ny Filoham-pirenena ny hizara vary isan-tokantrano ?
Fieboeboana
Toa zary fieboeboan’ny olom-panjakana ihany ity fizaram-bary ity fa toa tsy tena fanampiana ny vahoaka sahirana.
Fanampiana avy any ivelany ho an’ny Fanjakana Malagasy io fa tsy fanampiana ho an’olon-tokana na ho an’ny antoko iray.
Rehefa amin’ny anaran’ny Fanjakana izany dia tokony hisitraka azy ny vahoaka malagasy rehetra.


