CORONAVIRUS : Niampy 4 ireo sitrana androany, 1 no voa vaovao

Mitombo isa hatrany ireo olona sitrana. Niampy 4 indray izy ireo tamin’ity andro ity. Tovolahy 14 taona, monina any Toamasina kosa no 1 voatily ho mitondra ny otrikaretina, tamin’ity andro ity ihany.

Amin’ireo sitrana ireo dia ny 3 tao amin’ny hopitalin’i Toamasina ary ny 1 kosa tetsy amin’ny hopitalin’Anosiala.

Araka ireo tarehimarika ireo dia mitontaly 111 ireo olona nitondra sy mitondra ny tsimokaretina hatrizay. Mitontaly 33 kosa ireo sitrana ara-dalàna.

Noho izany, miisa 78 sisa ireo mbola tsaboina eny anivon’ny hopitaly manerana ny Nosy.

Tsy nisy ny maty

Araka ny fampitam-baovao ofisialy hatrany dia tsy mbola nisy ireo marary namoy ny ainy tamin’ity aretina ity. Na teo ihany koa aza ny fisian’ny tranga fahasemporana dia voatsabo araka ny tokony ho izy  ireny ka tafavoaka ihany. Hatreto dia tsy misy ireo marary itrangam-pahasahiranana lehibe.

Fifampikasohana

Hatreto dia ny tranga noho ny fifampikasohana no miseho tsikelikely sy mampitombo isa ireo marary.

Tena azo fehezina tsara anefa izany amin’ny alalan’ny fanajana ny fepetra tokony harahina.

Marina fa misy ireo tsy maintsy mivoaka isan’andro. Eo koa ireo milahatra noho ny fakana fanampiana samihafa,… Ny fitondrana saron-tava sy ny fanajana ny elanelana iray metatra fotsiny anefa dia ampy tsy hiparitahan’ny otrikaretina. Tsy adino koa anefa ny fanasan-tànana rehefa miditra ny trano.

Vous aimerez aussi