MINISTERAN’NY FANABEAZANA : Hivoaka tsy ho ela ny tambin-karama

Nampanantena ireo mpiasam-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena  sy Fampianarana teknika  ary ny Fanofanana arakasa ny Minisitra tomponandraikitra, Andriamanana Rijasoa Josoa, io maraina io, fa hivoaka tsy ho ela ny tambin-karama notakian’izy ireo.

Efa an-dàlam-pamaranana ny dingana rehetra tsy maintsy arahina momba izany, ny governemanta sy ny Ministera, hoy Ramatoa Minisitra, amin’izao  fotoana izao, ka tsy ho ela dia ho voavaly ny fangatahana.

5 alina ar

Ho tohin’ny fampiharana ny fifanarahana natao teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny Jolay 2018 moa no anton’izao fitakian’ny mpampianatra sy mpandraharaha izao.
Mitentina 5 alina ar no tokony ho azy ireo ary efa tany amin’ny volana janoary tany ho any no tokony hanatanterahina azy, kanefa amin’izao fotoana vao ho tontosa izany.
Nanterin’ny Minisitra, araka izany, fa tsy mitsahatra mikaroka vaha olana hanafainganana ny fanatanterahana io fifanarahana io ny tenany. Saingy nisy ny fanitsiana tsy maintsy natao mba hisian’ny fitoviana lenta eo amin’ny mpiasa rehetra.

Sehatra fitakiam-bola

Sehatra iray isehoan’ny olana sy fitakiana ara-bola ny Ministeran’ny Fampianarana tao ho ao. Toa avelan’ny tompon’andraikitra hivangongo hatrany manko ny tokony ho zon’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha na dia misy ihany aza ny hanefana izany.

Ankilany, tsy manaiky lembenana amin’ny tokony ho anjarany koa ny mpampianatra, hany ka zary toerana fitakiam-bola ireo Ministeran’ny Fampianarana eto. Saika adino tanteraka ny fototry ny raharaha indraindray ka lasa ankilabao ny fanondrotana ny tanora malagasy amin’ny tena fampianarana.

Vous aimerez aussi