Arovy amin’ny valanaretina Coronavirus ny vahoaka Malagasy ! Hentitra ny fanambaran’ny Filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), Marc Ravalomanana , io maraina io.
Mbola maro amin’ireo sidina avy any Eoropa no tonga eto amintsika kanefa efa maro ireo firenena eoropeana no ahitana ity valanaretina Coronavirus ity, hoy izy.
Marefo ny firenentsika ka tsy ampy hiatrehina izany ny fitaovana eto amintsika raha sanatria ka tafiditra eto io.
Koa andraikitra lehibe ho an’ny Mpitondra ny fiarovana ny mponina ao aminy, hoy ity Filohan’ny Tiako I Madagasikara (TIM) ity. Ary efa samy mamehy ny firenena avokoa ny rehetra mba tsy hiditra sy hihanaka ao aminy ny aretina.
Ny firenena lehibe sy matanjaka toy ny amerikana aza izao efa tena mangovitra sy matahotra mihitsy amin’io. Isika eto Madagasikara anefa sady tsy ampy fitaovana sy dokotera hitsabo akory nefa mbola mamela ihany ny hidiran’ireo sidina avy any ivelany mankaty.
Nampahafantariny aza fa ny italiana aza izao tsy mahazo mivoaka sy tsy mampiditra olona intsony kanefa isika mbola mampandroso ihany.
Dia gaga aho !, hoy izy.


