MANDRITSARA : Nolavin’ny mpanabe sy ny mpampianatra ny Sefo CISCO vao notendrena

Nolavin’ny mpampianatra sy mpanabe ao amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, ny fanendrena ilay sefo Cisco vaovao. Antony, dia tsy mahay mitana io andraikitra sahaniny io, io sefo Cisco io, hoy ny fanazavana. Efa mpampianatra tao an-toerana izy io ary maro ny zavatra tsy nety nataony sy ny fihetsiny, ka tsikaritr’ireo mpanabe sy mpampianatra ireo. Notendrena hitana io andraikitra io anefa izy ary izao lavin’ny mpanabe hatramin’ny farany. Amin’ny zomà ho avy izao no hanao famindram-pitantana amin’ny sefo Cisco teo aloha, io vao notendrena io. Andrasana indray ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

Vous aimerez aussi