MANAN-KASINA ANATIROVA : Tsy maintsy horavana io colésieum io, hoy ny Printsy Rabarioelina

« Tsy maintsy harodana sy horavana io colésieum io ! ». Hentitra ny fanambarana nataon’ny Printsy Ndriana Rabarioelina, Lehiben’ny Fianakaviamben’ny Andriana eto Imerina sady Lehiben’ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara, mikasika indrindra ny fanorenan’ny Fitondram-panjakana io colésieum eo an-tokotanin’ny Rova Manjakamiadana io, ankehitriny.

Mifandimby ihany ny Mpitondra Fanjakana, hoy izy, fa ny vakoka mitoetra. Noho izany, tsy maintsy harodana io na ho ela na ho haingana, satria tsy manaraka ny fenitra maha-vakoka ny vakoka.

Tsy mila « béton » ny vakoka

Tsy kolontsaina malagasy velively ny « béton », ny « ascensseur »,…ka tokony hajanona ny fananganana io colésieum io, hoy hatrany Ny Printsy Rabarioelina.

Aminy dia mila hajaina ny efa maha-vakoka io Anatirova io ka tsy tokony ho kasihana amin’ny endriny hatrizay na ny tokontany aza.

Nanteriny fa na dia ny Unesco aza ho sadaikatra ny hanonona an’io ho vakoka hatrany.

Iharan-doza izay Filoha manao kitoatoa

Iharan’ny loza hatrany izay Filoha manao kitoatoa ireny vakoka ireny, hoy ihany Ny Printsy. Nasiany ohatra ny fikitihana ny tetsy Mahamasina ka nahatonga tondra-drano teto amin’ny firenena.

Tsy vitan’izany fa tsy tokony ho vahiny no antsoina hanao ireny foto-drafitrasa ireny. Izany no nahatonga ireo mpiasa malagasy miisa 120 niala tsy niasa intsony teo Mahamasina, noho ny fahatsapan’izy ireo zavatra hafahafa niseho teo.

Teo ihany koa ny fahasimbana nihatra tamin’ireo fitaovana samihafa nampiasaina tao amin’io kianja io.

Niaraha-nahita ireny moa ny nahazo ireo sinoa, satria voan’ny coronavirus voalohany ny taniny.

Ary ny frantsay izay nikitika ny Rova dia maro ny mpiray tanindrazana aminy no matin’ity aretina ity, hoy hatrany i Ndriana Rabarioelina.

Hirodana ho azy io

Mbola nasiany fanamarihana hatrany ny nisian’ny horohorontany indroa miantoana teto amintsika, izay nitranga ny 13 sy 20 mey lasa teo.

Manana dika lehibe ireny, hoy hatrany izy. Ireny no mety handrodana io colésium io ka mety hahafaty sy handratra indray ny olona any ambany tanàna any.

Vous aimerez aussi