LEHIBEN’NY FARITRA BOENY : Tsy maintsy atao « Mise en Quarantaine à domicile » ireo olona tonga ao Mahajanga

Mbola faritra tsy nahitana soritr’aretina sy valan’aretina coronavirus hatreto ny distrikan’i Mahajanga, faritra Boeny. Na izany aza dia miezaka ny misoroka ny tsy hiparitahan’izany aretina izany ireo tompon’andraikitra rehetra any an-toerana izay nahitana ny lehiben’ny distrika, ny lehiben’ny faritra mpisolo-toerana atoa Bazey Clavelah, ny Ben’ny tanàna, ny prefe-n’i Mahajanga ary ny filohan’ny « Centre de Commandement Opérationnel » na CCO – COVID – 19 Boeny.

Tapaka taorian’ny fivoriana izay nataon’izy ireo, ny alatsinainy teo, fa ireo mpandeha rehetra tonga any Mahajanga na nandeha taksiborosy, na nandeha raoplanina, na sambo na vedety, sns, dia tsy maintsy atao « Mise en Quarantaine à domicile » avokoa, hoy ny lehiben’ny faritra Boeny Bazezy Clavelah, mba tsy hihanaka ny aretina coronavirus. Nambaran’ny prefe-n’i Mahajanga, fa tsy maintsy misy ny fanaraha-maso atao amin’ireo olona rehetra ireo mandritry izany ary misy ny fizaham-pahasalamana azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Boeny, fa tokony hanaraka ny toromarika sy ny fepetra rehetra ireo mpandeha hatao « Mise en Quarantaine à domicile» ireo. Marihana, fa ireo taksiborosy sy sidina, mahafeno fepetra ihany no andraisana izao fepetra hentitra izao, dia ny fijerena ny fahasalamana sy ny fijerena ny fahazoan-dalan’ireo mpandeha rehetra ireo. Marihana etoana, fa « organisation interne » noraisin’ireto tompon’andraikitra ireto izao, satria mbola « Zero Cas » ny faritra Boeny hatramin’ny anio. Tokony ho mailo amin’ny tsy hiparitahan’ity aretina ity ny olona eo amin’ny manodidina ary tokony hisy ny toromarika omena azy ireo mba hanarahany ireo fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana.

Vous aimerez aussi