May ny endim-boanjon’ny Fitondrana noho ity valanaretina ity, ka hoe aleo ‘zay olona to teny eo amin’ny Fokontany no handrafitra ny « Loharano ».
Mahatsapa izany ankehitriny ny Fitondrana fa olona tsy dia manao ahoana loatra no napetraky ry zareo ho Sefom-pokontany satria mety ho natao noho ny maha akamakama sy ny loko politika iraisana fotsiny izany. Misy mihitsy koa no tsy havanana amin’ny asa ka na amin’izao fotoan-tsarotra izao aza dia tsy omena fanampiana, hono, ireo olona tsy nahavita adidy.
Fitondrana manam-pahaizana sy manara-dalàna be ity ve dia tsy nahalala hatrizay fa tokony ho fidin’ny Fokonolona ny Lehibeny sy ny lefiny ?
Mananontanona izao ny loza vao tonga saina fa fototra amin’ny asa sy ny raharaha rehetra ny Fokontany, ka tokony ho olona mamim-bahoaka, manam-pahaizana, mitana fahamarinana, …no hanampy ireo Lehiben’ny Fokontany.
Hanana andraikitra lehibe ireo olona 6 handrafitra ny « Loharano » ka iangaviana ny mpampianatra, mpitsabo, mpitondra fivavahana, mpitandro filaminana,… sy olon-tsotra heverina fa to teny eo amin’ny fiaraha-monina mba handrafitra izany.
Hiainga eny amin’ny Fokontany manko ny ady rehetra mahakasika ity valanaretina coronavirus ity. Eny ifotony eny no ahitana sy misy ireo olona ahiana na mety ho efa voan’ny tsimokaretina mihitsy fa tsy eny amin’ny Lapam-panjakana na eny anivon’ny ministera samihafa eny.
Eny ifotony eny koa no handeha ny fitiliana voalohany. Ary mbola eny ihany koa no hatao ny fizarana vary sy tampi-bava. Ny Fokontany izany no tena isahana mivantana ny asa rehetra.
Manana andraikitra lehibe, noho izany, ny Fokontany kanefa tsy nomem-pahefana loatra hatrizay.
‘Ndao aloha atrehina ny valanaretina dia araraotina ireo olona ireo, aoriana, hiantso ny vahoaka hisoratra anaty lisi-pifidianana !

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

