KRIZY VOKATRY NY COVID-19 : Hanampy ny orinasa ny banky BNI

Tafiditra lalina anaty krizy avokoa ny ankamaroan’ny orinasa Malagasy ankehitriny vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus. Ankoatra ireo efa nikatona dia tsy vitsy ireo mitsipozipozy antony nanosika ny CCIA na “Chambre de Commerce et de l’Industrie” Antaninarenina sy ny Banky BNI nikaon-doha nitady hevitra mba ahafahana manampy sy manohana azy ireny. Ho an’ity banky iray ity manokana dia misy ilay fampindramam-bola antsoina hoe “Crédit de Trésorerie de Soutien” na ny CTS izay azony omena ireo mpandraharaha liana amin’izany. Azo haverina ao anatin’ny 24 volana na roa taona ny vola halaina raha betsaka indrindra, fotoana efa ahafahan’ny orinasa miarina amin’ny ankapobeny. Tsiahivana fa efa maro ny fomba ahafahana maka sy mamerina ny vola ao amin’ny banky BNI amin’izao vokatry ny fampiasana ireo karazana teknolojia avo lenta, raha ny tatitra voaray.

Vous aimerez aussi