FANAMBOARANA NY KIANJA MAKI : Misy lesoka ireo asa vita

Omaly tolakandro no tokony nandraisana ara-teknika amin’ny fomba ofisialy ny ivon-toeram-piofanana  an’ny federasiona malagasy ny taranja baolina lavalava sy ny asa fanavaozana ny kianja Maki, etsy Andohatapenaka. Voatery nahemotra ho amin’ny fiandohan’ny volana jolay indray anefa izany…

Maro no tsy tomombana

Nanamarika ny filohan’ny Malagasy Rugby Rakotomalala Marcel fa maro no tsy tomombana teo amin’ny asa nataon’ilay orinasa manodidina ny fananganana ny trano natokana ho ivon-toeram-piofanana. Tsy nety nandray ny fanalahidy, araka izany, ny federasiona fa mitaky ny hihaonana amin’ny tomponandrakitra niantsoroka ny asa…

Tsy ny asa fanorenana ilay trano vaovao ihany no tsy mifanaraka amin’ny fenitra izay nofaritana mialoha ny hanombohana ny asa, hoy i Rakotomalala Marcel fa nahitana tsy fahatomombanana ihany koa ny fanamboarana ny kianja Maki izay mbola ity orinasa ity ihany no niandraikitra izany. Vokany, ny tomponandraikitra teo anivon’ny Malagasy Rugby no tsy maintsy nandray an-tanana ny fanohizana ny fanamboarana ny kianja mba hahafahan’ireo ekipa manohy ny fanazaran-tena ao amin’ny kianja Maki.

Nangataka ny hanatsarana kokoa ny kalitaon’ireo asa efa vita ao anatin’ny kianja Maki, araka izany, ny federasiona malagasy ny taranja baolina lavalava mialoha ny handraisana izany amin’ny fomba ofisialy.

Vous aimerez aussi