KOMITIN’NY FAMPIHAVANANA MALAGASY : Ho amin’ny fampihavanana sy fandriampahalemana

Zava-dehibe eo amin’ny Malagasy ny fihavanana. Noho izany fitaovana iray ahazoana mametraka fandriampahalemana izany ka azo avadika ho vakoka tsy hita maso, hoy ny Filohan’ny  Komitin’ny Fampihavanana Malagasy (na ny CFM), Maka Alphonse.

Azo atao tsara ny manorina fandriampahalemana rehefa misy ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy, hoy ihany izy. Ary isika Malagasy irery ihany no manana io fihavanana io maneran-tany.

Noho izany, misy ny famahana ny olana ara-tantara azo vahana amin’izany fampihavanana izany. Anisan’izany, ohatra ny ady isam-poko tamin’ny taon-jato faha-19, izay mbola mamela ratra hatramin’izao.

Ny dina

Manoloana ny dina izay hita fa mifototra amin’ny fisainana malagasy ary miteraka filaminana, no nanambaran’ny CFM fa ilaina ny fampanarahana izany dinam-paritra izany amin’ny lalàna velona, mba hampirindra ny fiaraha-monina ary hanajana ny zon’olombelona.

Voka-pifidianana

Manoloana izao fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialy izao dia efa miaka-pofona ny antoko sy fikambanana izay nahatsikaritra tsi-fahatomombanana tamin’iny fifidianana iny ary tsy mahalala fiatoana amin’ny andro fety. Koa  asa raha manana anjara biriky amin’ny fitondrana fampihavanana amin’izany ny CFM na tsia.

Vous aimerez aussi