Ny fanadiovana ny tranon’ny mpianatra sy ny fanivanana ireo tena mpianatra no anisan’ny dingana voalohany hatao, vao manomboka ny taona 2020. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Minisitra tompon’andraikitra izany io maraina io, raha nitokana ny Centre Médico-Social, teny Tsimbazaza izy.
Ny tanjona dia ny hametrahana oniversite manana kalitao ambony eto Madagasikara, ka manaraka ny fenitra misy maneran-tany.
Hofaritana amin’izany koa ny hofan-tranon’ireo mpianatra, ahazoana manatsara ny tontolon’ny fampianarana.
Voaloa ny vatsim-pianarana
Vita 100% ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra tamin’ity taona ity. Eo ihany koa ny fanomezana tambin-karama fianarana asa eny anivon’ny fampianarana ho mpitsabo any Mahajanga sy Toamasina.
Manoloana izany anefa dia hisy ny vaha-olana amin’ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka avy amin’ny Seces, ka hisy ny dingana hatao amin’ireo karazam-pangatahana 7 notakian’izy ireo.
Nanteriny fa efa nahitam-baliny ny 6 amin’ireo fitakiana ireo.
Fitokonana ihany
Raha tsy misy hatrany ny fanambanana fitokonana dia tsy ahitana filaminana mihitsy ity tontolon’ny fampianarana ambony ity hatrizay. Toa misy ihany ny henti-manana hanatsarana ny tontolon’ny mpianatra sy ny fampianarana kanefa andrasana fitakiana mahery vaika izany vao mivaly.
Manana anjara lehibe amin’izany indrindra koa anefa ny mpianatra satria volam-bahoaka no atolotra azy ireny ka andrasana ny fiverenan’izany amin’ny vahoaka, amin’ny alalan’ny fanovozany fahaizana amam-pahalalana.


