150.000 ar ny vidin’ny vorontsiloza lehibe ary manodidina ny 100.000 ar kosa ny antonontoniny, amin’izao ankatoky ny Noely izao. Tsy mifanalavitra amin’izany ny vidin’ireo sakafo amin’ny fety ireo, eny amin’ny tsenan’Andravoahangy na Isotry na Analakely eny.
Tapa-kevitra ny tokantrano maro fa tsy hiroso amin’ity sakafo hanim-pitoloha ity fa hijanona amin’ny akoho be nofo ihany fa tena tsy takatry ny fahefa-mividy intsony ny entana.
Mbola manodidina amin’ny 11.000 ar manko ny kilao amin’ity akoho voalaza fa tsy dia ara-pahasalama ity, kanefa moa izay no takatry ny vola ka atao ahoana !
Ny gana no mety azo ihoriranan’ny tokantrano antonony satria 18.000 ar hatramin’ny 25.000 ar eo ny vidiny. Ny gisa koa manko dia efa tafakatra hatramin’ny 50.000 ar any.
Asiana fangarony
Ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano dia aleo mampifangoro ireny vorona na akoho ireny amin’ny henakisoa mba ho betsaka sy matsiro no andraisana ny andro fety.
Ho an’ny maro an-trano moa dia fomba fanao ny manisy haingi-tsakafo kely fanairana (na entrée) satria any amin’ny legioma no mba azo hanaranam-po sady tena ara-pahasalamana tokoa izany.
Tsy dia nisy fiakarana loatra koa ny vidin’izy ireny satria manodidina ny 1.000 ar ny kilaon’ny karaoty sy ovy. Maherikelin’izany kosa ny « haricot vert ».
Torak’izany koa ny hamaroan’ny voankazo maro isankarazany izay efa miha-misondro-bidy, toy ny letisia. Fotoam-pamokarany izao kanefa azo atao ny manararaotra.
Fehezina
Tsy maintsy fehezina ihany anefa ny poketra eny an-tsena eny satria satry ny hamalifaly ny ankohonana noho ny andro fety. Ankoatra ny sakafo manko dia midongy kiraro sy fitafiana vaovao ny kilonga.
Mbola ho betsaka ihany koa ny adidy miandry amin’ny fanaterana solom-bodiakoho ho an’ny ray aman-dreny rehefa vanim-potoana tahaka izao. Tsy adino anefa ny adidy amin’ny Fiangonana sy ny fikambanana samihafa.
Ilaina, noho izany, ny fikajiana ny vola mba tsy ilazana fa volana henjana indrindra ny janoary. Asa raha mitombina amin’ireo mpiasa mandray faha-13-n’ny volana izany na tsia ?


