FJKM : Tsy niantso tany an’efitra

Manoloana ny resabe mikasika hatrany ny fanambadian’ny mitovy fananahana dia naneho fisaorana ny tompon’andraiki-panjakana ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), Irako Andriamahazosoa Ammi,  noho ny fitondrana fanazavana momba izany. Miombona indrindra koa amin’ny ady atao amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny vehivavy ny tenany.

Noho ny tanindrazana iombonana  sy ny firenena iaraha-manana ary ny taranaka iaraha-mitaiza sy ny akon’izany, ny Filohan’ny FJKM dia nahatsiaro fa tsy niantso tany an’efitra. Koa midera an’Andriamanitra sy maneho fisaorana eram-po eran-tsaina ny Fitondram-panjakana nanaiky nihaino ny antsom-pitiavana nataonay ka nanao ny ezaka rehetra nanomezana fanazavana. Ankehitriny dia re mazava ny hevitry ny Fiangonana ho fanoherana ny fanambadian’ny mitovy fananahana, ankehitriny dia mazava tsara fa ny lalàna laharana faha-2019/008 notapahin’ny Parlemantera farany teo momba ny voalaza ao amin’ny  hoe : « Lutte contre les violences basées sur le genre » dia tena lalàna momba ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny vehivavy ihany fa tsy misy idiran’ny fanambadian’ny mitovy fananahana mihitsy ary ambaranay fa tena ezaka miendri-piderana sy iombonana feno ny fanoherana izany herisetra izany . Ankehitriny dia mazava tsara fa mahazo matoky ny vahoaka Malagasy fa tsy hisy eto Madagasikara mihitsy izany lalàna hanomezan-dàlana izany fanambadian’ny mitovy fananahana izany. Fahazoana antoka tena ilaina izany.

Ho tahiana anie i Madagasikara ary ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Vous aimerez aussi