Finday avo lenta sy ireo tsotsotra, fahitalavitra, ordinatera (solosaina), fitaovana fampiasa an-dakozia, seza fandraisam-bahiny, akanjo, kiraro, sns. Ampahany ihany amin’ireo karazan’ entana hita atokon’ireo mpivarotra tsy manara-penitra eny amin’ny toerana malalaka azo hamelarana izany eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo. Tsapa ho nitombo ny isan’ireo mpisehatra amin’ity “asa” ity tato anatin’ny hamehana ara-pahasalamana.
Ny iray tamin’ireny mpivarotra ireny izay niresahanay tsy nisalasala nanambara fa avy amin’ireo olona tojo fahasahiranana noho ny fahaverezan’asa vokatry ny hamehana ara-pahasalamana ateraky ny fisian’ny covid- 19 ny ankamaroan’ireo entana. Maro amin’ireo mivarotra ny fananany nohariana an-taonany maro no nanambara fa tsy misy harapaka sy harotsaka intsony izy ireo koa tsy maintsy miroso amin’ny fivarotana ireo fananana mba ho velona. Aleo tokoa maty rahampitso toy izay maty androany.
Manarararaotra
“Ny fahavoazan’ny sasany, fifalian’ny hafa”, hoy ny oha-pitenenana malagasy. Tanteraka ara-bakiteny tokoa io eo amin’ireo sokajin’olona voatery tsy maintsy mivarotra ny fananany noho ny fahasahiranana sy ireo mpividy azy ireny. Tsy araka ny tokony ho tombam-bidin’ireo entana amidy ny hividianan’ireo olona ny entana amidinay, hoy ity Raim-pianakaviana voatery nivarotra ny solosaina fampiasany fa dia tamorain’ireo mpividy izany. Endrika fanarararaotana ny fahavoazan’ny sasany hatrany, araka izany, no kisary hita miverimberina eny amin’ireo toerana hivarotana ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro voatery amidin’ireo tompony tsy satry noho ny hamehana ara-pivelomana vokatry ny fikatonan’ireo orinasa.
Mila fandraisana andraikitra avy amin’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny asa sosialy maika ny fiahiana ireo rehetra very antom-pivelomana tsy fidiny noho ny covid- 19 mba tsy hampitombo isa indray ireo efa tsy anasa maro be hatramin’izay eto Madagasikara. Hatreto aloha, mbola ny fizarana ireo arovava no laharam-pahamehana ho an’ireo minisitra eo anivon’ny governemanta.


