Saika nisokatra avokoa ny ankamaroan’ireo fiangonana FJKM sy ny FLM, ny andron’ny alahady teo. Nisy niditra in’efatra, satria voafetra tsy mihoatra ny 50 ireo mpivavaka. Saika voahaja avokoa ireo fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana izay napetraky ny fitondram-panjakana. Nanasa tanana ireo mpivavaka niditra ny fiangonana. Nasiana fanafody « désinfectant » ihany koa ny kiraron’ireo mpivavaka ary nisy ny fandraisana ny anarana sy ny momba azy ireo. Nanao arovava ihany koa ireo mpino, voahaja ny 1 metatra tao am-piangonana. Araka ny nambaran’ny filohan’ny FFKM kosa, dia mangataka amin’ny fanjakana mba hanao tatitra momba ny vola fanampiana azo iadiana amin’ny valan’aretina Covid19 sy ireo fanampiana azo rehetra izy. Izany hoe tokony hanao tatitra mangarahara amin’ny vahoaka ny mpitondra fanjakana amin’ireo fanampiana rehetra voaray ireo, hoy ny filohan’ny FFKM. Mangataka amin’ny hery velona rehetra ihany koa, ny filohan’ny FFKM mba hifanolo-tanana amin’ny fanjakana, mba hiaraka handresy ity aretina Covid-19 ity, hoy hatrany ny fanazavany.


