Nahazo « information » avy tany amin’ny « médecin inspecteurs » izahay momba ny lisitra ny olona « déclarés cas positif » isan’andro miaraka amin’ny « mis en quarantaines » ireo olona ireo, dia tonga any aminay dia ny « médecin chef » no mampita izany aty amin’ny kaominina manome ny anarana sy ny adiresy ny olona dia izany no hanamarinanay saody manaparitaka aretina erakin’ny tsena ilay olona, dia manao « intrus » sy « orienter » ireny olona ireny. Miasa tompoko ny « ambulance » eto Tanjombato ary manao ny « évacuations sanitaires » rehetra izay hanasoavana ny kaominina izahay satria izany no atao hoe « sécurité publique » ary ihany koa miady amin’ny tsy fandriampahalemana izay tena mirongatra be amin’izao. Vao tsy ela izay no nisy vakitrano teny amin’ny manondidina Tanjombato ary tsy hifanomezana tsiny izany. Misy ihany koa ny fanenjehana ireo olona mifoka zava-mahadomelina tahaka ny rongony. Miara-miasa amin’ny Jirama ihany koa izahay mba araraotina ny handrehetana ny jiro amin’izao toe-draharaha izao. Fa ny sabotsy teo izay voalaza fa fihibohana tanteraka dia ampiarahana ny noty izay navokan’ny « ministère de l’intérieur » sy ny Mica momban’ny fisokafan’ny tsena. Tsy izahay no handeha hanazava ny vahoaka hoe inona no atao hoe « épiceries du quartier ». Arak’izany dia tokony tsy hisy olona hivoaka mihitsy n’iza n’iza. Ny antony hanazavana izany dia mba hisiana ny « tolérabilité » hoe hatramin’iray tolakandro ny mpivarotra PPN fotsiny no afaka mivarotra, fa tsy ny mpivarotra voankazo na ny mpivarotra mofo fa matoa izany ianao manana izany dia manana asa atao ianareo izany. Ny ben’ny tanàna manonkana dia tsy mivoaka, tsy miantsena, fa misy vary hoaninay mandritra ny fihibohana, satria amin’ny Alatsinainy ihany dia efa miverina amin’ny fiainana andavanandro isika. Mila mahatsapa-tena isika, ny antony dia tsy hoe mivoaka akory ny « coronavirus » na tsy mivoaka izy rehefa « week-end » fa isika izany ny sabotsy sy ny alahady dia andro tsy fiasana sy hivoahana ary izay fifehezan-tena izay no andrasana amin’ny isika. Izay no antony ilay izy fa tsy hoe akory fandrarana ny olona, ka raha nomanina dieny mialoha izany ny mpivarotra sy ny mpiantsena hoe iray ihany no miantsena maraina, dia tsy ho gaga ilay olona hoe voasazy raha sanatria fa hoe izy mihitsy no miara-manatanteraka ny bainkon’ny fitondram-panjakana ary mampiseho firaisan-kina sy fahendrena dia milamina ny fiainana tsy misy olana. Amin’ny maha-tompon’andraikitra eto amin’ny tanànan’ny kaominina Tanjombato nefa dia miara-miasa amin’ny polisy nasionaly izahay mampiatra sy manoro ny olona na dia efa nisy foana ary ny fanetanana, satria ilaina ny fampiarana izay hitarafana koa hoe hatraiza izany ireo vina napetrakay nandritra ny herinandro fiomanana hoe voahaja ve ? Tena nahafehy tena ve ? Nahomby ve ? Dia avoaka ny « statistique » amin’ny herinandro ambony hoe nandritra ilay 48 ora nanovana ny fihobohana dia firy ny « cas positif » raha tafavoaka izay dia tsara ilay izy ary tokony tohizana. Ny mpianatra mbola tsy mianatra raha teo dia mety. Amin’ny Alatsinainy dia mitohy foana ny « activités » eo anivon’ny kaominina, ireo olona koa torak’izay ary manaja ny fepetra sy fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Afaka miasa isika ao anatin’ny Covid-19 fa ahena ny fiparitahana. Ny momban’ny mariazy kosa dia ny Alakamisy sy ny zomà no anaovana azy, raha ho an’ny kaominina Tanjombato.


