Tsy tokony hatao fitaovana politika sy isehosehoan’ny Fanjakana ny fanampiana avy amin’ny firenena hafa. Anisan’ny fanambarana nataon’ireo Loholona avy amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) izany nandritra ny fizaran’izy ireo fanampiana teny amin’ny faritra samihafa teto an-drenivohitra.
Manjavozavo ny fomba fitantanana sy fizarana ireo fanampiana avy any ivelany, hoy hatrany izy ireo ka tokony hisy ny mangarahara.
Hitsipaka ny lalàna raha…
Manoloana ny fanaovan-dalàna kosa no naha hentitra ireto Loholona, fa raha tsy mifanaraka amin’ny fampandrosoana ny firenena ireo volavolan-dalàna haroson’ny Governemanta, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany, dia handà izany izy ireo.
Ny volana mey izao manko no hivory ara-potoana voalohany ny Antenimiera roa tonta amin’ity taona ity, ka hisy ny fandaniana volavolan-dalàna samihafa.
Arahina ny lalàna manankery
Miahiahy amin’ireto Loholona ireto anefa ny Fitondrana satria heverina ho sakana amin’ny fampandrosoana ity Andrimpanjakana ity.
Ho azy ireo anefa dia tsotra sy mazava ny heviny dia ny fanarahana ny lalàna manankery ihany. Koa raha misy ny lalàna tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-pirenena dia tsy maintsy ho lavina izany.
Nasian’izy ireo teny ihany koa fa tokony hanjaka eto ny fahalalahana na ny demokrasia. Tsy misy intsony ny fahalalahana hiteny, hoy izy ireo. Manjaka ny fampitahorana, ny fanagadrana, ny fanapenam-bava,…


