Fanontaniana mipetraka ny hoe, vonona hiady amin’ny sehatra iraisam-pirenena ve ny fitondram-panjakana, satria namaky ady tamin’ny sehatra iraisam-pirenena izy, raha tsy niandry ny faneken’ny OMS ny vokatra Covid Organics iny, hoy ny Otrikafo. Sao mantsy dia ho toy ny resaka Nosy malagasy sy izay nitranga tamin’ny Profesora Zaranaina tamin’izany, raha nanana porofo fa manana fanafody fanefitry ny Sida tamin’ny fotoan’androny, hoy ny Otrikafo, ka ireo vahiny indray avy eo no manao fanambarana fa manana ilay fanafody.
Izahay eto anivon’ny Otrikafo, hoy ny sekretera jeneraliny, dia efa ela no niresaka fa manana tombony betsaka isika amin’ny fananana ireo ravinkazo azo hitsaboana ireo aretina misy eto Madagasikara. Aoka tsy ho adino fa ny ntaolo malagasy dia tao anatin’izany no niaina. Mbola tsy nisian’ny resaka fanafody voahodina tahaka itony izany. Vokatry ny fikarohan’ny mpikaroka malagasy izay miainga avy ao amin’ny IMRA moa izany dia nivoaka ny atao hoe “Covid Organics”, izay fanafody natao hiarovana na koa handresena ity Covid 19 miparitaka eran-tany ity.
Izahay manokana, hoy ny Otrikafo, dia mampirisika mihitsy, hoy izahay hoe isan’ny firenena heverina ho sangany ny Malagasy amin’ny fananana io Covid Organics io, satria hatreto dia tsy mbola misy firenena na iray aza manana fanafody hisorohana an’io Covid 19 io. Aza adino fa tsy ny fitondram-panjakana no nahita ny fanafody, fa ny IMRA ka raha sanatria mihemotra eo indray ny fitondram-panjakana dia ilay orinasa sy marika malagasy IMRA mihitsy no potehiny amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny Otrikafo.


