Nivoaka ny didy hitsivolana mikasika ny fanagiazana sy famerenana ireo harena azo tamin’ny tsi-rariny, araka ny filankevitry ny minisitra natao ny 28 Jona lasa teo. Izany moa dia navoakan’ny Fioloham-pirenena, araka ny fahefana manokana nomen’ny Lalampanorenana azy, amin’ny tsy mbola fisian’ny Antenimieram-pirenena.
Misy andininy miisa 35 izany didy izany, izay mamaritra ny fomba ahazoana mitaky sy mamerina ary mangeja izany vola sy fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna izany. Anisan’ny voarakitra ao anatin’io ny famaritana ny hoe vola azo tamin’ny tsi-rariny izany, na ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny kolikoly, ny famotsiam-bola, ny famatsiam-bola ny mpampihorohoro,…
Voalaza amin’izany didy izany ihany koa fa ny fanjakana no hany manana fahefana hanenjika ireo « mpangalatra » sy hampamerina ireo vola amam-panana any amin’izy ireo. Hisy kosa ny foibe manokana hiandraikitra izany vola sy fananana tafaverina izany.
Ny fampanoavana kosa no hanenjika ireo voarohirohy amin’izany ary haverina aminy ny fananana raha toa ka afaka madiodio amin’izany raharaha izany izy. Tsy hiverina aminy kosa ny fitaovam-piadiana sy ny zava-mahadomelina.
Atao izany mba hisian’ny mangarahara tanteraka eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Eo ihany koa ny fampiatoana ny fanararaotam-pahefana mety ataon’ny tompon’andraikitra sy hanangonany harena tsy araka ny fahamarinana.
Vao herinandro lasa moa izay no nisy ny fangatahanan’ny fiaraha-monim-pirenena ny amoahana izao didy izao ka tonga amin’ny ilana azy izy izao.
Antenaina fa mba hihatra amin’ny rehetra izao fanagiazam-pananana azo tamin’ny tsi-rariny izao fa tsy sanatria ho sivanina ireo akamakama.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

