Antenimierampirenena : Maro an’isa ny olon’ny fitondrana

Depiote avy amin’ny fitondrana 86, Mahaleotena 44, TIM 16 ary antoko hafa 5. Ireo no voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny tolakandron’ny Talata teo, mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka natao ny 27 Mey lasa iny.

Na teo aza ny fisian’ny voka-pifidianana vitsy nofoanan’ny Fitsarana Avo dia tsy nanova ny efa nambaran’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana (na ny CENI) izany.

Avereno ny hasin’ny Antenimierampirenena

« Manana adidy ny Solombavambahoaka amin’ny hamerenana ny hasin’ity andrim-panjakana ity ary koa mamerina ny fitokisan’ny vahoaka ny olom-boafidy ! ». Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa izany, nandritra ity fotoana namoahana ny voka-pifidianana ara-pomba ofisialy ity.
Nanterina fa mila miverina mihaino ny hetahetam-bahoaka ary maneho fa tena solontenan’ny vahoaka tokoa ka mitondra ny teniny ny depiote, hoy ihany izy.
Avy amin’ny « Fokontany » no nihavian’izao vokatra izao, hoy hatrany izy. Dia ny « Foko » 22  sy ny « Tany » masina. Koa aoka ny Malagasy no hanjaka amin’izany fa tsy ny vahiny.
Nasiany teny ihany koa ny mikasika ny lalàna, izay nambarany fa zava-dehibe raha tiana hirindra ny fiaraha-monina. Koa tokony ho tanterahina ny adidy narafitry ny Lalàmpanorenana amin’ny famolavolana izany. Ilaina anefa ny miara-miaina amin’ny vahoaka, ahatsapana ny zava-misy iainany, ka hipoiran’ny lalàna sahaza ho azy.
Manoloana izany dia tokony ho tarigetra ny fandaminana ny fanjakana sy ny fiaraha-monina mba hiaina amin’ny hitsiny sy ny fahamarinana. Natao hiarovana ny tombontsoan’ny maro an’isa rahateo ny lalàna fa tsy natao hiarovana ny mpitondra na ny olom-bitsy.
Koa nanterin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo àry fa tsy tokony hikipy ny Solombavambahoaka fa hijery ny fahorian’ny vahoaka, ny fijalian’ny kamboty sy ny manano tena, ny malahelo sy ny fadiranovana.

Vous aimerez aussi