2 no 0 no nandresen’ny Barean’i Madagasikara ny Nigeria, omaly, teo amin’ny kianjan’i Alexandrie. Mazava ny fandresena azon’ny ekipa malagasy. Noho izany, tafakatra ny hanohy ny lalao eo amin’ny am-pahavalon-dalana ity ekipa nahatalanjona ny mpanaraka ny CAN 2019 ity.
Noho ny fitavozavozana nataon’ny vodilaharana nizeriana no nanararaotan’i Bolida namono ny baolina voalohany, ka nisantaran’ny Malagasy ny isa azony.

Tsy nihanona fotsiny tamin’izany anefa ny ekipa malagasy fa mbola nanohy ny fanafihany hatrany. Koa nahazo « coup franc » teo amin’ny faritra hahombiazany tsara ny Malagasy teo amin’ny amin’ny faha-53 minitran’ny lalao. Matin’i Carolus soa aman-tsara izany baolina izany, ka nahatonga ny isantsika malagasy ho roa ary nahatafakatra azy ho amin’ny dingana manaraka.
Araka izany dia mitarika ny laharana ny ekipa malagasy eo amin’ny vondrona B misy azy, satria manana isa 7. Manaraka azy ny Nigeriana, isa 6.
Ny 07 Jolay ho avy izao indray no hiaka-tsehatra ny Barea, ary hanotrona izany ny Filoham-pirenena malagasy.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

