« GRAND CONCERT EN DUO » : Anio eny Antsahamanitra ny fotoana miaraka amin’i Melky sy Firmin

« Grand concert en DUO », io no lohatenin’ilay fampisehoana goavana hotanterahan’i Melky sy Firmin, ny alahady 24 Aogositra 2025, eny Antsahamanitra. Fampisehoana izay karakarain’ny « Zouk Pro ». Na ireo mpanakanto na ireo tompon’andraikitra mpikarakara dia samy mampanantena fampisehoana tsara sy mahafinaritra avokoa amin’io fotoana io.

Tanjona ny hanome fahafaham-po ny rehetra tonga hijery ny fampisehoana. Ireo mpanakanto ihany koa dia efa ao anatin’ny fahavononana tanteraka amin’izao fotoana izao. I Melky sy i Firmin izay efa 20 taona ankehitriny no niseharana teo amin’ny lafiny zava-kanto ka tsy ho mena-mitaha amin’ireo fampisehoana efa notontosain’izy ireo hatramin’izay ity hotanterahana eny Antsahamanitra ity. Tamin’ny alalan’ilay fifaninanan-kira “Pazzapa 4” no nipoiran’ireto mpanakanto ireto. Rehefa somary mangingina tao anatin’ny taona maro araka izany izy mianadahy ireto dia izao hiverina hiray sehatra izao indray. Ny tapakila dia azo jifaina ao amin’ny “Ketrika.com”. Eny amin’ny “Super Music” Analakely, “Pho Resto” Ampandrana, “Pho Resto” Ampasamandinika, “Pho Resto ByPass”, “Pho Resto” Ankorondrano, “Pho Resto” Ivato, “Pré Shop” Liantsoa Ankandidratombo.

Ho an’ny tapakila tsotra dia jifaina Ar 10.000 raha Ar 20.000 ny “Silver”. Ar 35.000 ny “Gold” raha Ar 50.000 ny VIP. Mpanohana izao fampisehoana izao ny « Tv Plus » sy ny « Rdj ». Ankoatry ny fampisehoana izay ho tena goavana dia  hanasongadina ny fampisehoana ihany koa ny fivarotana ny “Tee-shirt” izay misy ny sarin’izy mianadahy ireo. Io “Tee-shirt” io no ho fanamiana iraisana mandritry ny andron’ny fampisehoana. Hampiavaka ny fampisehoana ireo haingon-tsehatra maro isan-karazany, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny “Zouk Pro”, Rakotoarisoa Tsirahonanarivo.

Vous aimerez aussi