FOKONTANY ANKADINDAMBO – AMBOHIMANGAKELY : Roso ho amin’ny asa fampandrosoana marolafy

Tsy misy asa fampandrosoana vanona raha tsy misy ny fandriampahalemana. Ny fahatsapana izany indrindra no nanosika ny Filoham-pokontanin’Ankadindambo Ambohimangakely Randimbindramaro Gerard hanao ho laharam-pahamehana ny fanamafisana ny asa fampandriana fahalemana ny Tanàna. Tafiditra anatin’izany ny hametrahana ireo jiro an-dalambe hoentina hanazavana ny elakelan-trano. Anisan’ny ezaka lehibe ho amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana  hatao eny an-toerana ihany koa ny fampiasana ny « Bokim-bahiny » hahafantarana ny Olombelona mifamezivezy ao anatin’ny Fokontany Ankadindambo Ambohimangakely.

Nomarihan’ny Filohan’ny fokontany Ankadindambo Ambohimangakely Randimbindramaro Gerard fa anisan’ny ady goavana hatrehana ankehitriny ihany koa ny fisian’ireo mpivarotra sy mpidoroka zava-mahadomelina. Misy, araka izany, ny fiaraha-miasa akaiky sy matotra eo anivon’ny Fokontany sy ny Zandarimariam-pirenena eny Ambohimangakely ho famongorana azy ireny noho izy ireo manohintohina ny filaminana ankapoben’ireo mponina eny an-toerana toy ny fisian’ny asa fanendahana, filokana, sns. Hiroso tsy ho ela ho amin’ny fanamboarana ny lalana mirefy sahabo ho dimanjato metatra miditra ny tanan’Ankadindambo ho hatao rarivato « Pavé » ihany koa ny fokontany Ankadindambo sy ny eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely Antananarivo Avaradrano.

Tsy hadino ny seham-pamokarana. Hisy ny asa fanamboarana sy fikojakojana ireo fefiloha sy tohadrano madinika eny an-toerana mba hahafahana mifehy ny fizaran-drano an-tanimbary izay itrangana olana matetika noho ny tsy fahampian’ny rano. Hisy ny asa fanavaozana ny EPP Ankadindambo Ambohimangakely amin’ny alalan’ny fifanomezan-tanana eo amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, ny sekoly ary ny fokontany sy ny Kaominina eny an-toerana. Havaozina ihnay koa ny biraon’ny fokontany Ankadidambo Ambohimangakely, hoy ny Filoham-pokontany. Ny fametrahana ny fomba fiasa mangaraharaha sy fisokafana amin’ireo tsy miankina tsara sitra-po ary ny fametrahana indray ny Soatoavina malagasy toy ny firaisankina, ny fihavanana. Ireo mitambatra no raiki-pohy hoenti-manantontosa ireo vinanasa rehetra ireo, hoy, hatrany ny Filoham-pokontanin’Ankadindambo Ambohimangakely. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ireo Tanàna mitahiry ny ampahany amin’ny tantaran’Imerina ny eny amin’ny Fokontany Ankadindambo Ambohimangakely Antananarivo Avaradrano noho izy « Vohitr’Andriana ». Azo atao tsara ihany koa, araka izany, ny manabe voho ny sehatry ny fizahantany anatiny eny an-toerana.

Vous aimerez aussi