« Sahy mandray andraikitra izahay, saingy lazao aminay mazava ny tsy mety ! », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny fihaonan’ny governemanta tamin’ny Solombavambahoaka. Fihaonana izay tsy nifarana raha tsy io maraina io, noho ny fahataran’ny fanombohana azy sy noho ny fandraisan’ny depiote maro fitenenana.
Jiro sy rano ary làlana
Ny jiro sy ny rano fisotro madio ary ny làlana. Ireo no fitakiana sy fangatahana nitambaran’ireo solombavambahoaka maro nandritra ity fihaonany tamin’ny governemanta ity. Na teo aza izany dia nisy ihany ny raharam-pirenena hafa izay nitondran’ny lehiben’ny governemanta fanazavana. Anisan’izany ny raharaham-pitsarana. Misy anefa ny mbola miray petsapetsa amin’ny ratsy, toy ny halatr’omby, kanefa efa manao ny asany araka ny tokony ho izy ireo tompon’andraikitra. Koa nentaniny hatrany ny fahatongavan-tsain’ny rehetra.
Ho an’ny rano eto Antananarivo no nanambaran’ny Praiminisitra fa hisy ny fananganana « station satellite » miisa 5 mba ho vaha-olan’ny filana eto an-drenivohitra.
Ho valiana ny hetahetan’ny mpiasam-panjakana
Hisy ny fanavaozana goavana eo amin’ny asam-panjakana, ka tsy afaka hiala ao amin’ny toerana iray nanendrena azy izy na inona na inona fangatahana ataony. Ho tanterahina kosa anefa ny famahana ny olana misy sy ny hetahetan’ireo mpiasa ireo, toy ny tsi-fandriampahalemana, ny tsy fisian’ny sekoly ho an-janany, ny tobim-pahasalamana, …mba hampaharitra azy eo amin’ny toerana iray.
Andrasana, araka izany, izany fahasahian’ny governemanta izany, amin’ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Eny na dia ny tsi-fandriampahalemana sy ny ara-tsosialy ihany aza.


