Hifarana amim-pomba ofisialy amin’ity tolakandro ity ny fivoriana ara-potoan’ireo Antenimiera roa tonta. Mbola misy anefa ny volavolan-dàlana miisa fito, izay tokony ho laniana sy handraisana fanapahan-kevitra eny anivon’ny Antenimierandoholona amin’ity maraina ity.
Tsy nahafaly ireo senatera, araka izany, izao fahatarana avy amin’ny Solombavambahoaka izao, ka miteraka disadisa eo amin’ny roa tonta, satria nanam-potoana nalalaka nandinihina izany izy ireo teo aloha.
Anisan’ny nahataraiky ny fandinihana ireo volavolan-dàlana ireo moa ny nanaovan’ny ankamaroan’ny solombavambahoaka fampielezan-kevitra nandritra iny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina iny. Koa tsy maintsy hodinihina maimaika indray izany ireo volavolan-dàlana ireo na dia hiankinan’ny ain’ny vahoaka sy ny firenena aza.
Zary fomba fiasa lovain’ny Antenimiera hatrany izao fanaovana afo am-bilanikely izao, ka manao tefy maika ny raharaham-pirenena.


